Hotontosaina ny 10 oktobra ny Rallye Tour de Tana

  • il y a 9 ans
Ny sabotsy 10 oktobra no hotontosaina ny andiany faha 15 amin’ny Rallye Tour de Tana izay karakarain’ny klioba AsaTana. Aharitra andro iray ity rallye ity, ary ny 9 oktobra kosa no hisy ny « Shakedown » any Betsizaraina.

Mahatratra 74 kilometatra ny alaviran-dalan’ny « épreuves spéciales », ary 126 kilometatra kosa ny fikambanan’ny alaviran-dalana rehetra.

Miisa dimy (05) ny « épreuves spéciales », izay hanodidina an’Anjeva sy Ankadinandriana. Ny PC kosa dia ao amin’ny « Espace Krypton » Ambohimalaza no hisy azy.

« Equipages » miisa 40 no handrasan’ny mpikarakara amin’ity rallye Tour de Tana ity, izay andiany faha-enina amin’ny fifaninanana ny ho tompondakan’ny Madagasikara amin’ny azakaza-piarakodia 2015.

Ny filohan’ny klioba AsaTana, Laza Randriamifidimanana, dia mety hitondra ny fiara « 0 » amin’ity andiany faha 15 ny Rallye Tour de Tana ity.

Marihina fa toa ny mahazatra, dia hisy ny « surprise » izay atokan’ny mpikarakara ho an’ny mpandray anjara sy ny mpijery.

Recommandée