• il y a 9 ans
“Rallye D-Max One Day Event”. Izay indray ny hetsika manaraka karakarain’ny “Women In Motorsport Madagascar” na WIMs, taorian’ny Gym-Kanons izay notontosaina ny 8 martsa farany teo tetsy Andohatapenaka.

Ny 19 septambra ho avy izao no ho tontosaina ity “Rallye D-Max One Day Event” ity, ary aharitra andro iray ihany. Mahatratra alaviran-dalana 146 km iny Rallye, ary miisa enina ireo “épreuves spéciales” izay mahatratra alaviran-dalana 74 km. Etsy Ambohimalaza no hisy ny PC fiantsonan’ireo fiara mpiazakazaka, ary manodidina ny faritry Vakiniadiana kosa no misy ireo “épreuves spéciales”.

Marihina fa ny 18 septambra kosa dia hisy ny “Shakedown obligatoire” etsy Behitsy Ambohimanambola, izay mahatratra alaviran-dalana 3 km.

Ny klioba AMA no miara miasa akaiky amin’ny WIMs amin’ny fikarakarana ity “Rallye D-Max One Day Event” ity. Ny Galaxy Motors no mpanohana ofisialy, ary ny Federasiona malagasy misahana ny azakaza-piarakodia (FSAM) no miahy.

Eo amin’ny isan’ny mpandray anjara kosa dia 35 ny tanjon’ny mpikarakara. Maro ireo mpanamory efa nilaza fa handray anjara, toa an’i Mathieu Andrianjafy, Ndrianja sy Alcazaria.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Madagasikara 2015 ity “Rallye D-Max One Day Event” ity.

Ny “Women In Motorsport Madagascar” dia manana mpikambana 50 mahery. Ao ny mpanamory mpanampy, ny mpanamory, ny mpankafia “sport mécanique” sy ny mpanaraka. Ankoatry ny fandraisana anjara eo amin’ny lafin’ny fanatanjahantena, dia mandray andraikitra feno eo amin’ny resaka aro lozan’ny fifamoivozana ihany koa ny WIMs.

Category

🗞
News

Recommandations