• il y a 9 ans
Eny Amin’ny Galerie Smart Tanjombato no misy ny « American Center » vaovao izay notokanana androany 15 septambra 2015. Mirefy 1200 metatra tordroa ny velarany ary misy toerana fanaovana fampirantiana, efitrano fampisehoana mahazaka mpijery 200, efitra 6 hanmpianarana teny anglisy, toerana fanovozana fahalalana sy vaovao momba an’i Etazonia ary toeram-pisakafoanana toa izay fahitana any Etazonia. Ity ivontoerana ity dia natao hampahafantarana bebe kokoa ny Malagasy ny momba ny fiarahamonina, ny tantara, ny kolontsaina ary ny politika amerikana hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny vahoakan’ny firenena roa tonta.

Ny fijoroan’ny « American Center » dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny masoivohon’i Etazonia sy ny fikambanana American Center izay hivondronan’ny English Teaching Program (ETP), ny antenimieran’ny varotra Amerikana eto Antananarivo (AmCham), ny Microsoft, ny fikambanana tanora Liberty 32, ny fikambanan’ireo nianatra na nanaraka fiofanana tany Etazonia (USGA) ary ny toeram-pisakafoanana In Square.

Notarihin’ny Filoham-pirenena malagasy Rajaonarimampianina Hery, sy ny Masoivoho amerikana Robert Yamate ny fitokanana tamn’ny fomba ofisialy.

Nandritra ny lahateny fanokafana izay nataony dia nilza ny masoivohon’i Etazonia Robert Yamate fa : « Nanangana foibe ara-kolontsaina anisan’ny lehibe indrindra mifantoka amin’i Amerika eto anivon’ny faritra Afrika sy ranomasimbe Indiana isika, ary mino marimarina aho fa voalohany amin’ny karazana fiaraha-miombona antoka toy izao ity eto amintsika ity. Mahafaly ahy koa ny manamarika fa nanangana modely hampitsiry hevi-baovao ary halaina tahaka maneran-tany ny fiarahantsika miasa.

Category

🗞
News

Recommandations