Rajaobelina Tsialiva, manana ny ho aviny ny Tennis malagasy

  • il y a 9 ans
Tsara ny vokatra azon’i Madagasikara tamin’ny lalaon’ny Afrika, tennis, izay natao tany congo Brazaville, tamin’ity volana septambra ity. Nahazo medaly volafotsy i Zarah Razafimahatratra tamin’izany. Nampahatsiahy Rajaobelina Tsialiva, filohan’ity federasiona ity fa maro ihany koa ny vokatra tsara vitan’ireo mpilalao malagasy, nandritra ity taom-pilalaovana 2015 ity, na ny teto an-toerana izany, na koa ny tany ivelany. Ary manana ny ho aviny tsara ity taranja ity eto Madagasikara, raha miara miezaka ho amin’izany ny tsirairay ».

Notsiahiviny tamin’izany ohatra ny nandrombahan’i Madagasikara ilay antsoina hoe « Grand Chelem » tamin’ny lalaon’ny Nosy tao La Réunion farany teo. Mpilalao dimy amin’ny sokajin-dalao dimy no azon’i Madagasikara medaly volamena dimy tamin’izany lalao izany.

Tao ihany koa ireo lalao, izay nahazoan’i Madagasikara sitraka maro samihafa. Ary manginy fotsiny ireo fanofanana sy fanazaran-tena, na ho an’ny mpanazatra izany, na ho an’ny mpilalao.

Mbola miandrandra, amin’ny herintaona (2016), ny handraisan’i Madagasikara lalao iraisam-pirenena roa lehibe izay tsy inona fa ny « Coupe Davis » sy ny lalaon’i Afrika, ny federasiona Malagasin’ny tennis. Maro anefa ny ezaka mila hatao, mba hahatontosa izany amin’ny an-tsakany sy an-davany.

Recommandée