Ambondrona : Samy hahazo ny anjarany ny mpakafy

  • il y a 9 ans
Hiaka-dapa, ny folak’andron’ny 1 martsa ho avy izao, manomboka amin’ny telo ora, etsy Mahamasina ny tarika AmbondronA. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ry zalahy io maraina io, tetsy amin’ny Paprika Ankorondrano mba hilazany fa hahazo ny anjarany avokoa ireo mpankafy azy rehetra hatrizay 14 taona nisiany izay.

Notsindrian’ny tarika manokana ihany koa tamin’ity indray mitoraka ity, ny fiaraha-miasany amin’ny Orange Madagasikara satria misy antoka kokoa ny fampiasana itony teknolojia vaovao itony, indrindra amin’ny resaka fanaraha-maso ny fivarotana tapakila. Mampitandrina ihany koa ny tarika ho an’ireo mpanararaotra mpaka tombony amin’ny fivarotana tapakila.

Recommandée