Ny mpitory - Na tsiky na tomany

  • il y a 12 ans
Na tsiky na tomany (M. Andriamiadamahatratra)

Na tsiky na tomany samy hiderako Anao
Ry Ray fa avy taminao
Izany ny foko na hiloatra fifaliana na hisento
Hidera Anao ihany

Ny doboky ny foko maneho fifaliana
Ny sentoko misoko milaza fijaliana
Ireny rehetra ireny hiderako Anao
Ka sahiko ny miteny izao fanekena izao
Ekeko ampifaliana tsy misy mampanahy
Ny hazo fijaliana izay nanavotana ahy

Na andro mibaliaka na manjombona aoka izany
Dia mbola hiderako Anao
Ihany na dia hatsiaka mamanala tsy miala Aminao
Ny fo Jeso malalako

Na faly aho na ontsa hidera sesilany
Ny masoko na kotsa hahita anao hatrany
Ireny rehetra ireny hiderako Anao
Ka sahiko ny miteny izao fanekena izao
Lanjaiko am-pifaliana tsy misy mampanahy
Ny hazo fijaliana izay nanavotana ahy