Ny Nanahary - Ilay tanànako

  • il y a 9 ans
Ilay tanànako

Iny volana iny
Reny kintana ireny
No mbola ahatsiarovako anao
Ny lanitra manga
Reny rahona ireny
No hikaloko anao hatrany

Fiv. :
Soa loatra ianao
R’ilay tanànako
Nilaozako ela be

Ny lohasaha
Iry rano mikorina
No hitiavako anao
Ny kalo takariva
Reo voron-tsara feo
No hivetsoko anao mangina

--------------
Ny Nananahary