Randrantelo - Fihavanana (A/C: Mahaleo)

  • il y a 10 ans
FIHAVANANA

Raha mila fanampiana ianao
Raha misy tsy mety ny atao
Tsarovy aky e! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Miandry fotsiny
Miandry pi-maso
Miandry ny ho kopahin-tanana
Fa vonon-kijoro handresy ny ankaso
Satria izany no tena namana

Raha misy zava-mampahory
Ka mila tsy ahitan-tory
Tsarovy aky e fa any ho any
Misy namanao tena tia

Mahantra sy osa
Mahantra harena
Kanefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kanampy satria tia
Tsy mitady valiny sanatria

Raha mahatsiaro irery ianao indraindray
Raha marary kanefa tokana iray
Tsarovy aky e fa any ho any
Misy namanao tena tia

Tsy irery ianao
Raha misy mahatsiaro
Ka ny alahelo atsaharo
Fa na ali-mikitroka o
Na oram-baventy
Ho avy tsy ho ela aho
Fa vetivety

Fihavanana tsy ravan'ny taona
Fa madio sy mamiratra foana
Tsarovy aky e fa any ho any
Misy namanao hatrany hatrany (bis)