Ny Mpitory - Raha sitrakao

  • il y a 13 ans
Raha sitrakao (Miharilaza Andriamiadamahatratra)

Raha sitrakao Jeso toneo ty fo tomany
Torovandrovan-tsentosento sesilany
Tsy miafin’Aminao injao fa te hitroatra
Handa ny tendrinao tsaroako mafy loatra
Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroina
Raha azonao atao mba satriko ho soloina
Kanefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao
Ny sitrakao irery anie Jeso no hatao

Ny hany iangaviako Anao Jeso malala
Tolory hery aho mba tsy hisalasala
Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalaho
Sy hahaizako miatrika ady vaovao

Anefa moa avy Aminao sa avy aiza ?
Ity fiainana mangidy ity Sakaiza
Mba tendrinao sa valin’otako tokoa
Fa toa manonjanonja efa tsy ho toha
Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotako
Manimba fo tsy mahasoa ka hialako
Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izao
Matoky aho fa Ianao Jeso dia tsy mba mandao

Tsy haoko akory ny ho sambatra eto an-tany
Raha toa ka tsiro-pahotana hatrany ihany
Toa manodoka am-piandohana fa mafaitra
Ny fihafarany ka mihatra vao manaitra