Lilie & Luk - Fitia vita voady (Romule)

  • il y a 12 ans
Fitia vita voady (Romule)

Ny fitia, fitia vita voady mandra-maty ho doria
Sanatria tsy ankoso-bolamena na mamiratra jerena
Bararata noladinim-bahy ka mifaningotra hatrany
Fa fitia hiaraka eto an-tany na ho tsiky na tomany

Ny fitia, fitia vita voady volamena vita sedra
Dina vita sikotra ao anaty, tsy mba taitran-drendrarendra
Voin-tenan’izay tsy tia, te handrava hankahala
fa fitia, fitia ho doria tsy mahataho-mpanadala

Na ho sarotra aza re ny dia, tsy hiova sanatria
Na ho semban-drahona aza
Nofy izay ho lefy laza
Mafy orina ny anay, ho doria mandrakizay
Ka ny fasana no fetra amin’ny andronay rehetra