Ny Mpitory - Amorony fo madio (Laurent Rakotomamonjy)

  • il y a 12 ans
Amorony fo madio (Laurent rakotomamonjy)

Amorony fo madio aho Andriamanitra ô!
Fo iray miorim-paka mafy ao Aminao
Handosiran’i satana, fa hivoha midanadana
Henika sy feno ny hasoavanao

Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina ô!
Mba hisainako ny lala-mankany Aminao
Saina afaka hahalala, fa tsy ny lala-migodàna
No hanatrarana ilay Paradisa soa

Akekezo ê! ity ny tanako fikiro
Fa manonja anie ity rano be
Aza avela handeha irery
Tantàno an-dàlana aho sao very
Jesôsy ô, Ianao no tokiko

Ilay fanahy mahaolona nomenao ahy koa
Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao
Dia manjary mampanahy, raha tratry ny fakam-panahy
Ka farany ho may sy ho ratsy fiafara

Ny tongotro ny tanako, ny loha ny masoko
Ny eritreritro, ny sofiko ny vavako
’Zany hoe raha atontaly, tsy zava-bitsivitsy ihany
F’izaho mihitsy no apetrako Aminao

Akekezo ê! ity ny tanako fikiro
Fa manonja anie ity rano be
Aza avela handeha irery
Tantàno an-dàlana aho sao very
Jesôsy ô, Ianao no tokiko