Feo Miantso FJKM Ankadimbahoaka - Tompo ô fantatrao (A/C: H. Ratsimbazafy)

  • il y a 13 ans
http://www.baiboly.org/

Tompo ô fantatrao

Tompo ô! fantatrao
Malemy tokoa izaho izao
Nofo aman-drà fa tsy anjely
Tsy mendrika Anao velively
Tompo ô! fantatrao
Ny ota ao anatiko ao
Loto mameno ny foko
Ny fahalemen’ny finoako

Kanefa Tompo ô (x2)
Ny fanahinao manazava
Ny tahotro misava
Nomenao fahasoavana aho
Noraisinao ho havanao
Ny teninao no toky ho ahy
Mitarika ho sahy
Hanantona Anao, hanaraka Anao
Hanaradia Anao aho hatrami’zao

Koa diovy aho (koa diovy)
Hamasino aho (hamasino)
Hamarino aho (hamarino)

Amen !