Luk, Mahery & Rija - Antananarivo (BARIJAONA)

  • il y a 14 ans
Antananarivo (BARIJAONA)

Mba fantatrao ve ‘ty vohitra ity ?
Somary ntaolo fa maro mpitia
Hifanotofan’ny olo-mandalo
Tia hirahira sy tia kalokalo

Antananarivo hikaloy
Havoana mora fantatra
Antananarivo tsy mba foy
Fanao ankamantatra
Analamanga fehizay (de tena maminay)
Tsy lefy, tsy miova io rahatrizay

Endrey ! Tazano ny hatsaran’ilay Iarivo
Tsy mba roa
Tarafim-bolana any ho any
Mahamanina tokoa
Vahiny ve ? Tsy ho tamana
Rotsirotsin’ilay tanàna
Amin-kira ivaiva
Manakoako takariva

Antananarivo, hikaloy
Havoana mora fantatra
Antananarivo tsy mba foy
Fanao ankamantatra
Analamanga fehizay (de tena maminay)
Tsy lefy, tsy miova io rahatrizay

Recommandée