Nanie & Lilie -Vavaka ho an'i Neny (Naly RAKOTOFIRINGA )

  • il y a 14 ans
Vavaka ho an'i neny

Hotahiana anie i neny
Izay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana
Dia i neny izay nanoro
Sy nampianatra ahy hivavaka
No angatahiko @ Ray
Ny fitahiana tena miavaka

Fiv :
Ny tànanao nanambitamby
Lamosinao nibaby
Ny tratranao fiondanana
Nahitako fiadanana
Ho tahiana anie ry neny
’Reny rehetra rehetra ireny

Angatahiko mihitsy
Ny any ambony mba hitahy
’Reo molotrao ’zay efa zatra mitsiky
Sy nanoroka ahy
Mbola hotahiana koa
’Reo masonao manganohano
Rehefa misy alahelo
Dia toy ny dobo feno rano

Fiv…

Angatahiko mihitsy
Mba ho re hatrany an-danitra
Ny ahavelomanao ry neny
Ka hateza sy haharitra
Satria raha eo ianao fihantana fitosiana
Fa ny kamboty mbola kely
No tena fara-fahoriana.

Naly Rakotofiringa