Zanahary ô, Tahio ny tanindrazanay - (A/C : Gilbert Ramiarison)

  • il y a 16 ans
http://www.baiboly.org/
Salamo 65:7

Zanahary ô tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava handry fahizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay

Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry kinga sy mahay
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa
Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay

Ny taranakay tahio ho vanona tokoa
Ireo no solofo dimby rahatrizay
Mba ho tena mahatoky feno fahendrena koa
Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay

FFPM 734 : "Gilles" Ramiarison
30/07/1918 – 9/08/2007