Erick Manana - Mila rano

  • il y a 16 ans
MILA RANO

Betsiboka tsy nandalo anie
Variana niankandrefana
Tsara tondraka finaritra
Izay faritra lalovany ah (2x)

Mandoro fela-tongotra mahamay e !
Ity tany nodiaviko hatramin'ity marain' andro
Tsy felana, tsy ravina hialofana e !
Fidonaky ny masoandronay aty ka tsy misangy anie

O MILA RANO
Fa tsisy fatsakana e!
Mihaotra havoana maro an-tongotra
Izay no iray damozana e!

O MILA RANO
Ireo zanaka amam-para ô
Ataon'ny aretina angaredona
Mikaika tsisy farany e!

O MILA RANO ô
Tontolonay aty ô
Manofy tany lonaka ala maintso mavana
Pitik'orana e!

ERICK MANANA