Vetson-kira - Mihelina avokoa

  • il y a 16 ans
1Jaona 2:17 ARY MANDALO IZAO FIAINANA IZAO SY NY FILANY; FA IZAY MANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA NO MAHARITRA MANDRAKIZAY.

Mihelina avokoa

Mihelina avokoa mandalo vetivety
Izao tontolo izao sy ny hareny rehetra

Ref:
NY LANITRA NO MISY REO ZAVA TSOA MATEZA
ANJARA LOVANTSIKA MANDRAKIZAY DORIA
RY JESOA TOMPONAY MBA ENTO IZAHAY
HITOETRA AKAIKINAO MANDRAKIZAY DORIA

Mihelina avokoa ny hoby sy ny laza
Tsy misy tsy ho hadino zay noderaina fahiny

Ref :…

Mihelina avokoa ny filibàna rehetra
Poizina manimba nofo loza manimba fanahy

Antsa Katolika kaloin’i Ventson-kira