Solo sy Bessa - Isaky (Dox)

  • il y a 16 ans
ISAKY

Isaky ny ho hitanao
Mitovitovy amin’izao
Ny volon’andro, aoka lahy
Ny fonao hahatsiahy
Isaky ny ho hitanao
Mitovitovy amin’izao
Ny eto an-tokotanintsika
Dia tsarovy ny androntsika
Isaky ny misy hira
Henonao mamiravira
Ny fotoana niarahana
Dia tsarovy aho iky
E, tsarovy ny fitia
Manonona fivavahana

DOX http://www.freewebs.com/doxpoete/index.htm

Teraka tamin’ny 13 janoary 1913, tao Manakavaly i Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINY (na i DOX). Mpitsabo tao amin’ny foibe fitsaboana ny habokana mantsy ny rainy. Nianatra tao amin’ny sekolim-panjakana tao Antsirabe izy, ary nifindra tao Ambohijatovo sy tao amin’ny Paul MINAULT avy eo. Nanaraka fianarana sary tamin’ny Ecole Universelle ihany koa izy ary hita taratra tokoa eo amin’ny asa sorany izany fahaizany hosodoko izany. Izany indrindra no nilazany azy ho mpikalo ny zavaboahary. Tsara homarihina eto, fa azo lazaina ho talenta nolovaina ny an’i DOX. Maro tamin’ireo iraitampo aminy no mpitendry zava-maneno (toa azy ihany koa) toy ny “piano”, lokanga, “clarinette”...Ary ny solon’anarana izay noheveriny hampiasaina dia SORAJAVONA ary nisaloran’ny tari-pianakaviana izay tarihin’i Roger Salomon ANDRIAMPARANONY zanany....
....Namoaka boky maro nifanesy izy nanomboka tamin’ny taona 1940 ary nanampy ireo ny tantara an-tsehatra Hatramin’ny 1945-1954 dia zoim-pahoriana mafy nifanesy i Dox fa namoy ny zanany lahy (1945), ny rainy (1949), ny zanany vavy (1949) ary ny vadiny – Perle RAZANABOLOLONA – (1954). Nisy akony betsaka ary hita taratra tamin’ny asa sorany izany, ohatra “atataovy aho ‘ray olona sao tsy tratrako ‘ty havako...He ‘ty elanelanay !...”. Na teo aza zany, dia azo ambara fa nikalo ny hasoa sy ny hakanton’ny zavaboahary hatrany izy....
.....Maty ny 14 Jona 1978 i Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINY ary nalevina ao amin’ny fasan-drazany ao Anjanapara – Tritriva – Betafo.

Ref. : Raki-piainan’ireo Mpanoratra malagasy (F. L. Razafindralambo Feb. 2007, Mpampianatra).