Laurent Rakotomamonjy - Ifonako

  • il y a 16 ans
IFONAKO

Ray ô! ifonako aminao anio
Ny hadalàna efa vitako Ray ô
Taminao dia taminao
Taminao no nanotako Ray ô ô
Ifonako

Ray ô! ifonako aminao anio
Mandohalika anatrehanao aho Raiko ô
Ray ô! Iza intsony moa
no hamela ny helok' efa vitako
Afa tsy ianao, k'ifonako

Mahery loatra anie ny adim-panahy
Ny adin-tsaina koa mandreraka ahy
Mitambatra avokoa
Mavesatra ao an-doha
Matetika no mampamoy fo
Kanefa feno fandrika avokoa
Ny làlana alehan'ny tena a a a a

Soa fa mbola tao Hianao
Eny hataramin'izao
Ka mbola ity aho Andriamanitra, Ray ô!
An-dranomaso no anehoko ny fifonako
Ka mamelà ny hadisoako ianao

Raha toa ety,tsy misy mila ahy intsony koa
Dia aiza indray moa no alehako Ray ô!
Raha miala izay mety mandao
Matoky aho Raiko tia, fa mbola manana anao
Hanampy ho ahy.
ooooooooo

Laurent Rakotomamonjy