Adeline - Iza no antenanainao ?

  • il y a 16 ans
Iza no antenainao (En qui ?...) :

Inona no antenainao @’izao fiainana izao
Hasambarana ve sa fiadanana koa mandalo miserana izany
Matetika aza miandry anao feno alahelo hakiviana
Very hevitra ianao ary indro antsoinao rahafatesana

‘Ty fiainana ity tsy hitondra fiadanana ho anao
Ary ‘ty fiainana ity famoizam-po no entiny ho anao
‘Ty fiainana ty ahiahy sy tahitra no hatolotra ho anao
‘Ty fiainanan ity fahoriana no saininy ho anao

Ny hevitra atoroko anao @’izao taonanao zao
Tsy mety ny fiainana raha toa ka lavitra an’Andriamanitra
Jesôsy maty hamonjy anao ary hanasitrana anao
Raha toa ekenao izao anio izao Jesôsy hanafaka anao

Jesôsy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy
Jesôsy Kristy hamelombelona ny fonao
Jesôsy Kristy hitondra fifaliana fahafahana ho anao
Jesôsy Kristy fiadanana be no entiny ho anao

ADELINE