Laurent Rakotomamonjy - Ny adala

  • il y a 16 ans
GLR : Ny ADALA

Ny adala no manao anakam-po hoe tsy misy Andriamanitra
Kanefa milaza mitory sy mino fo tonga any an-danitra
Ny mpanompo sampy va re mba handova ny fiainana mandrakizay ?
Diniho ny lalana sy ireo didy 10 navoaka fahiny nomen’ Andriamanitra Ray
Tsy misy natao tsy hahalala tsy akory fa izao re no marina
Ny minia misaina ny zavatra diso tsy saro-patarina
Ireo no atao hoe mizotra amin'ny lalana be mahafinaritra
Tsy fantany mantsy ny faran’izany fa tomany lava sy sento maharitra

Koa raha misy milaza ny zavatra diso fa tsy mba ny marina
Dia olom-boafidin’ingahy losifera io fa saingy namboamboarina

Fiv :
Ry fatra –mpandiso ô diniho re ny zavatra atao
Andriamanitra ihany no mihevitra izay momba anao
Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha
Fa ts’isy ny lanitra iray faharoa
Ry fatra-pandà ô tsinjovy ny fanahinao
Ny heloka vita ifony ary koa ibebao
Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha
F’izay no tadiavin’ny Tompo Jesoa

Ny zava-drehetra dia nisy namorina matoa vanona
Tsy lavina izany fa marina loatra ka tsisy hokianina
Jereo ny tanety ny rano ao an’ony sy ireo tendrombohitra
Fa misy tsy nisy mpanao hono ireny
Hoy ny vava sy tenin’ny fatra-mpanohitra
Koa raha misy mpitory izay tsy mba milaza ny zavatra marina
Dia sari-bakolin’i belzaboba io fa saingy
Saingy namboamboarina

Fiv : ….