Bodo - Zaho sy ianao

  • il y a 16 ans
BIANCO :
Bodo – Luc – Jeannot– Kix– Mahery – Tovo - Roger – Naly...
☆☆☆☆☆

Fiv:
HO HIRAN’NY FO IZAHO SY IANAO
HIRA MAMIN’NY FIAINAM-BAOVAO
HIRAHIRAM-PITIA EFA TAO
‘ZAHO SY IANAO

‘Zaho ilay namanao tsy mahafoy
Hatrizay tsy nandao
Dia niombon-tsaina fo sy fanahy
Toa tsy mety lao
Ny hetraketraky ny tsy tia
Nisompatra hatrizay ka hatr’izao
Lazaiko anao fa nangaina satria,…iray
Izaho sy ianao

Ho avy ny oram-baratra
Afafin’ireo tsy namanao
Ary setrasetran’ireo tsy tia
Te hankahala anao
F’isika toy ny omaly hatrany tsy hifandao
Lazaiko anao hira ho iray
Izaho sy ianao

FIV…

Ny sentosentona’io ravao,
Ny fo no hatanjaho
Fa na iza n’iza tsy tia anao
Tsy izay no hankalaina
Mafy fototra ny fitia tsy miova hatrizao
Fa lazaiko anao Hira iray izaho sy ianao
Izaho sy ianao

FIV…