tsy ferana Eric Manana

  • il y a 13 ans
Misy fitia tsy mety maty fa mifikitra ao am-po Hodian-tsy hita mankarary Alevina tsy mety lo
Totofana vao miha-mitsiry ,Ilaozana manangatra Injao fa re mangirifiry Rehefa ianao tsy tazana
Salovanao mandindona

Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana
Mandoro raha kobonina

Ny lalana nizorantsika
Anefa ity tsisy hirika
Fa lalan-tokana izy ity
Mivavahady rindrina
Ny fo mitempo sisa reko
Izy tsy mety mionona
Tsy te-hahalala hoe hatreto
Misy tsy azo hoarana
Mitia tsisy tahotra

Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana
Mandoro raha kobonina

ia ia ié! ia ia ia ia ia ô!
ia ia ia ié! a i ô!
ia ia ié! ia ia ia ia ia ô!
ia ia ia ié!
tia aho é!