Tia dia tia (Dadah Rabel)

  • il y a 14 ans
Izay lazainao ho ditranao
Tsy mampaninona ahy akory
F’izaho, izay foinao ho ahy
Ho ahy no mba atolory
Satria aho tia, tena tia dia tia
Raha izay ditra fona
Tsy misy tsy nanao
Nefa atao ahoana fa tanora milalao
Ka aza atao hifanomezan-tsiny
Ny fotsy mba vato fa be ny faniriany
Izaho aty tena tia dia tena tia
Nahatonga ny andro hifaranan’izany
Akoho ela notsengohana
Tsy maintsy drodroka ihany
Ka maniry hisotro ronono amin’izay
Mba hanan-tokantrano tena ahy
Ianao no mba norariako
Satria ianao no tiako
Ireny tantara fahiny rehetra Ireny
Aoka izy mba tsy hasian-teny
Fa fitavana, fitia fohy dia fohy
Manangasanga fa tsy nitohy
Ny antsika ho kajiko
Satria ianao no tiako dia tiako
Fitiavana no raketina ho boky
Tsisy resaka afa-tsy ny fifanomezan-toky
Ho feno sary marim-pahatsiarovana
Ny pejy farany Nisy hoe: "mbola tsy mifarana"
Indray andro any fahafatesana ihany
No hamarana izany

Recommandée