Ny alohan'ny hatory - Silo

  • il y a 14 ans
Anio 'lay andro iray
fahatsiarovantsika roa
indray ririnin-dasa izay
ny lalantsika no niandoha
tsapa izao ankehitriny
fa nisaraka izy io
ireo vetsovetso fanao fahiny
avelao mba hadio
mifanalavitra isika
samy mbola mety ahatsiaro ireny
ampy anefa izay vita
'reo sary koa hanampy hiteny.

'sika tsy hifankatia intsony f'aleo hangiana
mahatsiaro anao foana anefa aho eny am-pandriana
tsy hay adinoina mantsy ireo fanao taloha
ny alohan'ny hatory sy rehefa mifoha.

Betsaka loatra ireo ditra
'zay nisangian-tsika tany
variana teo kinanjo ritra
nandraiky narary dia tomany
hamaranako izany
teny mamy ho antsika roa
mbola hihaona isika any ho any
ka aleo manadio fo.

indraindray mantsy mety hiaraka eny ihany
hiaraka indray ampatsiahy ireo andro mamy
haverina kely ny fanao tany aloha
ny alohan'ny hatory dia rehefa mifoha.

'sika tsy hifankatia intsony f'aleo hangiana
mahatsiaro anao foana anefa aho eny am-pandriana
rahoviana ihany vao afaka any an-doha

Category

🎵
Musique

Recommandations