1947, tsy nanekentsika ny gejan'ny Frantsay

  • 15 years ago
29 marsa

NY TANTARA

...Fa raha tsy nisy Menalamba
Mbola aiza ianao angamba?
Raha tsy nisy Vi-Vi-Eso,
Ny lalam-bita hoe refeso!
Raha tsy nisy sandry tapaka
moa ianao ho olon'afaka?
Ny fahafahanao androany
Nisy maty ho an'izany.
(Rado 09/12/69 notsongaina tao amin'ny Dinitra p. 120)

Ry Malagasy, miraisa hina hanohitra izay mety ho fanjanahana amin'ny endriny vaovao ankehitriny sy ny fangejana ataon'ireo firenena vahiny. Masina i Madagasikara, masina koa ny Tanindrazana. Mijoroa isika hiaro ny Fiandrianam-pirenena.

Recommended