Misaora Tanora Taratry ny Famonjena Betafo

  • il y a 15 ans
Fiv:
Andriamanitra Ray dia fitiavana
Mamindra fo sy miantra, tsy manavaka
Ny soa rehetra ananany tsy fihininy
Fa foiny ho antsika araka ny sitram-pony

Ka ny voninahitra anie hoan'Andriamanitra
Ny laza atolory ny Tompon'ny lanitra
Fa mahatoky sy marina ny fitiavany
Ka tena sambatra isika izay miaraka aminy

Fiv:

Atolory azy ny saotra, fiderana eram-po
Venteso mafy ny aleloia sy gloria ihany koa
Ny antema sy ny hiram-pifaliana miredona
No asandrato ho fisaorana ny anarany.

Fiv:

Recommandée