Poopy sy Bodo - Ny Tiako Rehetra

  • il y a 17 ans
Ny teny atsipinao,
Izay niniako tsy ho re,
Toa tsapako eto anio, ny fahamarinany
Ny tolotolotrao
Tsy nahataitra hatramin'izay
Dia fantatro eto anio ny lanjany

Hatramin'izay
Tsy nisy naha-rototra ahy
Satria ianao teo foana,teo anilako
Nihevitra aho fa
Na inona fitrangany eo
Ianao efa napetraka ho ahy

Nefa izao, toa tampoka foana
Nilaozanao aho, tsy ankiteny
Mipenipenina ny foko irery
Fa tsy eo ianao vao fantany fa ilainy

O! ny fisianao
Tsy nohalaliniko hatrizay
Satria nataoko ho efa izay ny làlana
Ny mety ho hevitrao
Tsy noheveriko satria
Jambenan'ny fitiavan-tenako aho

Nefa izao, toa tampoka foana
Nilaozanao aho, tsy ankiteny
Mipenipenina ny foko irery
Fa tsy eo ianao vao fantany fa ilainy

Ka mamelà ahy,
Raha misy fihetsiko indraindray
Nampisy alahelo ao am-ponao ao
Mamela ahy,
Henoy na tsy mendrika,
F'izaho tsy feno raha tsy eo ianao!