Eric Manana -Ny Zanako

  • il y a 17 ans
Ny zanako mantsy ka zanako
Izy no hany fananako
Izy no tompon'ny aiko
Mpadidy sy tena mibaiko

Nilomako rano tsy tiana
Namoizako ireo fifaliana
Niankinako rindrina irery
Fa tsy nilako mpijery

Ny zavatra vitan'ny tanako
Dia nataoko mba ho an'ny zanako
Ka na inona loza mihatra
Ny zanako tsy mba hahantra
Aina avy amin'ny aina
Ka tsy foiko, tsy foiko hiferin'aina.

Razilnah