Ry loloko ô - FITIAVANA MARINA

  • il y a 17 ans
Ry loloko ô

Nolazainao lavitry ny maso lavitry ny fo
Nolazainao fa ny tsara eny mety adino
Nolazainao hitanao fa mbola tiana izy
Lay tovovavy zay nomeko anaram-bositra hoe

Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Afaka iray volana aho dia hiverina indray
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Eo anilanao no mitoetra

Ny fitiavantsika hery lehibe dia lehibe
Ka ny lanitra no mitahy azy amin'izao fotoana izao
Noho izay nolazainao hitanao fa mbola tiako izy
Ilay tovovay iray izay nofihiniko

Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Afaka iray volana aho dia hiverina indray
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Eo anilanao no mitoetra

Ny ranomasina dia kely dia kely
Anatrehan'ny fo roa mifankatia
Noho zay nolazainao hitanao fa mbola tiako izy
Ilay tovovay iray izay izay norohako

Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Afaka iray volana aho dia hiverina indray
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2)
Eo anilanao no mitoetra