Hir'Aina - Nanie

  • il y a 17 ans
HIR'AINA

Rotsirotsy tambitamby
Fifaliana manan'amby
No hiraina hatrany hatrany
Hiraina hatrany hatrany
Hiraina hatrany am-parany any
Fa manomboka eto izao
Izay tontolo misy anao
No hiraina hatrany hatrany
Hiraina hatrany hatrany
Hiraina hatrany am-parany any

Hir'aina
Isan'andro izao
Hiraina ny anaranao
Ahatsiarovako fa mamy
Ny mitia anao hatrany

Safasafon'olon-tiana
Teny kely faniriana
No miposaka maraina
Miposaka maraina
Ka kaloina sy hiraina
Raha madiva ny hariva
Dia indro fa manivatsiva
Ka mamelona ny aina
Mamelona ny aina
Ka kaloina sy hiraina.

Recommandée