Anaka - Malagasy Father's Love Letter

  • 12 years ago
Anaka

Tsy fantatrao angamba Aho,
anefa Izaho dia mahalala tsara anao
Salamo 139:1

Fantatro ny fipetrakao sy ny fitsanganao
Salamo 139:2

Fantatro tsara ny halehanao rehetra
Salamo 139:3

Na ny volon-dohanao aza dia voaisako avokoa
Matio 10:29-31

Satria nahariko tahaka ny endriko ianao
Genesisy 1:27

Eo amiko no hivelomanao sy
hihetsehanao ary hiainanao
Asan'ny Apostoly 17:28

Satria terako hianao
Asan'ny Apostoly 17:28

Fantatro ianao fony ianao tsy mbola noforoniko
Jeremia 1:4-5

Notendreko ianao mba hofiderana ny voninahitro
Efesiana 1:11-12

Tsy zava poana ianao, fa ny andro voatendry ho anao
dia voasoratra eo amin'ny bokiko
Salamo 139:15-16

Notendreko ny fotoan'andro hivelomanao
sy ny faritry ny fonenanao
Asan'ny Apostoly 17:26

Mahatahotra sy mahatalanjona
ny nanaovako anao
Salamo 139:14

Izaho no namolavola anao tao an-kibon-dreninao
Salamo 139:13