Andro hafa - Krismasy Ankizy Washington DC 2009

  • 14 years ago
Andro hafa noho ireo efa niainanao
Ilay fotoana iavian’ny Mpamonjy ety
HO sahy hiandrandra hibanjina ny lanitra
Sa hiondrika hiery ilay fijeriny ?

Ireo famantarana efa tsapanao ve ?
Manambara tokoa fa ho avy izy izao
Avelao izay rehetra misakana anao
Tsy hahavonona anao anio

Fiv (in-2)
Saino re raha mandre ireo teny manambara hoe
Efa akaiky izy izao
Miomana ianao
Mendrika ve ny toetranao ?