Luk & Mahery - vetson'ny kamboty (Barijaona)

  • il y a 15 ans
Haolo mantsy ilay tanàna
Toa kamboty very reny
Ka ny làlana nombana
Dia efa lasa toy ny very
Haolo mantsy ilay tanàna
Tsy mba ray hanorotoro
Fa ny làlana tiako hombàna
Feno lomotra sy atsoro

Dada o ! Neniko iny
Izao mangina ankehitriny
‘Lay Akany tonga haolo
Miara miondrika daholo
Izany rehetra izany
Raha dinihana tomany
Manambara fa ny tsiahy
Tsy mety maty toa fanahy

BARIJAONA - Jolay 1948