HAYVE-DAGO_0001

  • il y a 15 ans
Hay vé ? de Rija Ramanantoanina interprété POUR LE FUN SANS PRISE DE TÊTE 26.07.09
ORCHESTRE DIAP TANA MADALORS DE LA RECEPTION HOMMAGE à RAKOTOZAFY JULIEN
Hay ve ka nisy
Raozy nokoloinao naniry tamiko
Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony
Nefa tsy kivy ianao

Hay ve ka nisy
Finiavana hikarakara taminao
Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny
Fony naha teo anao
Fa lasa ianao vao tsapako
Nony indro ianao tsy tazako
Injay nilentika lalina am-poko ao
Lalim-paka 'lay raozinao
Fa teo ianao tsy hitako
Niteny ianao tsy reko koa
Taitra ianao ninia natory irery aho
Taitra avy eo aho nilaozanao
Raha mbola misy
Zay voatahiry tamiko ao anatinao
Ento ahy fa hokoloiko ireo hiroborobo
Toy izay nataonao ahy
Raha mbola ao koa
Lay dikan-teny hoe "tia ambetin-dresakao"
Ento aty f'izay vao fantatro
Ny tena heviny nolazainao taloha
REF Fa lasa ...lay raozinao
Fa dindo tsy hay kosehina
Am-poko ilay fitiavanao
Fa ny hany faniriako dia izao
"MANDRAKIZAY HO AHY IANAO"