Zaraiko de Olombelo Ricky

  • il y a 15 ans
Avelao 'zaho hokotsain'reo alahelonao,
Raha mbola misy fo tsy mety mitempo fitia
Avelao 'zaho holena ireo ranomasonao,
Raha mbola misy tanana tsy mifandray mihintsy
Avelao 'zaho hisento mandrakizay 'zaho,
Raha mbola misy foana ny elanelana mandrava
Avelao 'zaho hitomany ho'aho 'zaho,
Raha mbola misy marina tsy voalazan'ny vava

Hozaraiko aminao izay an'ahy,
Hozaraiko fa misy fanahy
Hozaraiko aminao izay an'ahy
Hozaraiko fa feno fitiavana
Hozaraiko aminao izay an'ahy
Hozaraiko fa feno fihavanana
Hozaraiko aminao 'zay an'ahy
Hozaraiko fa aza manahy

Avelao 'zaho hopotika tsy hisy intsony (avelao 'zaho, avelao 'zaho)
Raha ohatra ka mbola tsy mandihy foana ny fony
Avelao 'zaho ho levona,ho rava mihintsy (avelao 'zaho, avelao 'zaho)
Raha ohatra ny fitiavanao efa ts'isy
Avelao 'zaho hangina,hangina tsy hiteny (avelao 'zaho, avelao 'zaho)
Raha ohatra ny fonao efa mihatery
Avelao za am'izao fotsiny eo,
Raha ohatra ianao manomboka efa leo

Raha ohatra ka fitiavana ny resaka
Raha ohatra ka tena fitiavana ny resaka
Ra ohatra ka fihavanana ny resaka
Raha ohatra ka tena fihavanana ny resaka

Te-ho namanao anie aho...
Hozaraiko aminao e,hozaraiko aminao
Raha ohatra ka fitiavana ny resaka,
Raha ohatra ka fihavanana ny resaka;
Diz ora iray monja,segondra iray monja
Dia afaka manova ny fiainantsika sy ianao
Ho any amin'ny tontolo ts'isy disadisa
Toa ohatran'ny hoe ohatraohatran'ny paradisa
Raha FITIAVANA ny resaka
Raha FIHAVANANA ny resaka.

Olombelo Ricky