Bodo ft Poopy - Tena tia

  • il y a 15 ans
TENA TIA

Toa tsy mahagaga
Ny toetranao efa malaza fa
Mora tia vao, avy eo mora lao
Toa tsy mahataitra
Ny fombanao na dia tsy laitra
Fa andrakandramanao izao rehetra izao

Toa mora adino, mora lefy avokoa
Toa haitraitra ihany fa tsy matotra ity fo
F’izany tsy mahasakana ahy
Ny mbola ho tia anao
Fa raha ny momba ahy

Efa matotra, raha ny fitiavako anao
Zany angamba no antony
Mahatonga anao tsy ahafoy ahy

Indraindray variana aho
Raha iny ianao ka manakiana ahy
Tsy ahitako izay rariny ny ambaranao

Indraindray anefa
Ianao ilay noheveriko efa nilefa tany
Indro miverina indray
Toa tsy mahasaraka ahy

Fa haitraitra ihany mora lefy avokoa
Fantatrao ihany ny mampilamina ny fo
K’izay no tsy mahasakana ahy
Mbola ho tia anao
Fa raha ny momba ahy
Efa matotra, raha ny fitiavako anao
Zany angamba no antony
Mahatonga anao tsy ahafoy ahy

Marina fa tsy misy ny lafatra
Mbola eto ihany miandry
Miandry anao

Saingy tsy hitanao
Saingy tsy hitanao nohon’ny hambom-po

F’izany no tsy mahasakana ahy
Mbola ho tia anao

Efa matotra, raha ny fitiavako anao
Zany angamba no antony
Mahatonga anao tsy ahafoy ahy

Mbola ity eto ihany
Ka manantena sy miandry hatrany
Hiova ho hendry ianao
Ho fitia vaovao

BODO ft POOPY

A une personne qui se reconnaîtra tout simplement…