Ventson-kira - olombelona aho Tompo

  • il y a 15 ans
Olombelona aho Tompo
Tsy mendrika ny hanonona ny anaranao
Nefa vonona aho hanompo
Mifona aho Tompo, mibebaka aho hatramin'izao

Ref
ô ry Tompo be fitia,
Mba tantanonao ny dia
Fantatrao f'efa nania ny olonao tety
Ankehitriny, ô mamelà ny heloko izay vitako
ô mamelà, ô mamelà ny heloko.

Faniriako ry Tompo
Ny hiankina an-tratranao ry Tompo ô!
Mba omeo fo madio
Hahaizako hibanjina ny tavanao