Toe-draharaha 2002... 2008

  • il y a 16 ans
TOE-DRAHARAHA 2002

Mbola tsy fahita
Teto amintsika
Ny mampiasa dynamita
Ho fitaovana politika.

Ny tetezan'ao Ifanadiana Ifatihita
Ambohimandroso Mangoro
Behenjy Mampikony Antanandava
Sy ny sisa
Napoaka tamin'ny dinamita !

Tsy ho tafita
Ny fiainantsika
Jereo fa ravan'indray anie
'Zay kely vita.

N'aiza n'aiza eto an-tany
Misy toe-draharaha toy izany
Ny vahoaka hatrany hatrany
No matimaty foana sy mijaly.

Tsy ho tafita
Ny fiainan-tsika
Jereo fa ravan'indray
'Zay kely vita.

Volamena vatosoa
Misy marobe tokoa
Olom-bitsy ihany moa
No mahazo tombotsoa.
Izy milalao safira
Manarampo am'ity plezira
Ny an'ny vahoaka
Zoridira !
Raha mba milaoka
Vaingan-tsira !

Ny vahoaka malagasy
Efa leo ny mihafihafy
Ka mijoro sy mitraka
Handroaka ireo mpanjakazaka.
Las'ity !

Mbola ho tafita
Gasikarantsika !!!

Groupe HANTA

(Raha tianao ny hahalala bebe kokoa an’i Hanta, dia ato izy:
http://hanta.free.fr/