Fefi - Manatona

  • il y a 15 ans
Jaona 6-35 : Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon'aina; izay MANATONA Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.

Manatona : FEFI

Manatona an’Andriamanitra fitiavana ianao
Izy no azo antoka handray ny antsonao izao
Saingy ny helokao rehetra hifony avokoa
Fa na ho ela na ho haingana tsy maintsy ho hitanao
Mba hahafantaranao ny fahasoavany
Zay tsy ho hadinonao mandrakizay
Mba hafantaranao fa tsy hanenenanao
Raha katsahinao amin’ny fonao

DIA HO HITANAO, NY HASAMBARANAO
DIA HO HITANAO, NY VONINAHINY
DIA HO HITANAO, MBA HAFANTARANAO
MBA HAFANTARANAO FA TIANY IANAO
MBA HAHAFANTARANAO NY FAHASOAVANY
ZAY TSY HO HADINOINAO MANDRAKIZAY
MBA HAFANTARANAO FA TSY HANENENANAO
RAHA KATSAHINAO @ FONAO
DIA HO HITANAO, NY HASAMBARANAO
DIA HO HITANAO, NY VONINAHINY
DIA HO HITANAO, MBA HAFANTARANAO
MBA HAFANTARANAO FA TIANY IANAO

Koa raha semban-draho-maizina ny fiainanao ety
De henoy fa ao ambadika ao Jeso miandry anao
Tsy hamela anao irery Izy tsy hahafoy anao
Lay Jesosy fanaperana amin’ny ratra ao am-po
Mba hafantaranao ny fahasoavany
Zay tsy ho hadinonao mandrakizay
Mba hafantaranao fa tsy hanenenanao
Raha katsahinao amin’ny fonao