Tsara tso-drano - Dadah

  • il y a 16 ans
'zahay mivady toa sodrian-tory
mihevitra anao ankizy foana
nony nihiratra taitra tsitahita akory
hay moa ianao tonga taona

hay moa tokoa ianao ari-elatra
te hanana zo te hande te hivelatra
vita ny adidy ny dada sy neny
efa voninkazo 'ilay voa novoleny

handeha, tsara tso-drano
tsy ho azon-tsampona tsy hidiran'angano
handeha, soava-tsaraha, zay vao tena lehilahy

be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy
na ny anatra na tambitamby
be ny sakatsakana, be ny fandrarana
toe-tara toe-drandro izay mazana

nefa izay moa no mba heverinay ho tsara
satria ny tianay dia ho tsara dimby sy fara
aza tsiriana mety tsy ho tsara daholo
ny mba ho fariana ny hahay ny taiza sy ny hikolo

handeha, ny any aloha no banjino
ny fahendrena no hany vatsy aza adino
handeha mahità ny mamy
mba ho lavitra tomany

lasa nandeha ka hisidina irery
efa lehibe tsisy handidy tsisy hanery
handimby ireo zoky antsoroka adidy
ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy

handeha, mahaleova
f'ianao no dimby, ianao no handova
handeha, ny anarantsika, aza avela ho entin-driaka

Category

🎵
Music