Ndrina Ramamonjy - Andriamnitra fitiavana

  • il y a 16 ans
1Korintiana 1:9 – http://www.baiboly.org/

FF 48

Andriamanitra fitiavana Ianao
Ka mihevitra ny momba anay ety
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay hoe :
Ampy ho anay ny fahasoavanao

Fiv :
Raha maraina mibaliaka ny andronay ety
Ianao no masoandro nihaviany
Raha ny alin'ny ririnina no handalo ety
Ianao no kintana hitantana ny dia
(Ka ny vavaka) ka ny vavaka hatao
Izay mipololotra am-ponay ao hoe :
Izahay anie hatoky Anao

Andriamanitra fitiavana Ianao,
Ka mitantana ny dianay ety
Raha handimby ny andro ny alina,
Mbola tokana ny deranay hoe :
Ampy ho anay ny fahasoavanao

Ndrina Ramamonjy