neny tiako bodo (dadah)

  • il y a 16 ans
Hiran'ny Dadah zay navaozin'i Bodo atolotra ho an'i Neny rehetra!!

Avia Neny tiako eto ampofoko
Eto antsandriko ankavia mba ho akaiky ny foko
Etsy,etsy hoesoriko ireo volofotsy
Hitantarako angano ianao, sady haraiko rotsirotsy

Avia Neny tiako eto ampofoko
Eto antsandriko ankavia mba ho akaiky ny foko
Etsy,etsy hoesoriko ireo volofotsy
Hitantarako angano ianao, sady haraiko rotsirotsy

Ny adidy tsy efanao mbola tianao hotoizana
Tsy mahatsiaro hasasarana tsy mahalala vizana
Mihisakisaka mila hotorovana
Aok'izay fa ianao ilay niaro indray no mba mila fiarovana

Avia Neny tiako fa aza miahiahy
Ny ataoko anie, sombiny ny vitanao hatrizay
Etsy, hotatanako fa ela lanaka
Ny aina no mateza fa hifampitaiza isika mianaka

Ny adidy tsy efanao mbola tianao hotoizana
Tsy mahatsiaro hasasarana tsy mahalala vizana
Mihisakisaka mila hotorovana
Aok'izay fa ianao ilay niaro indray no mba mila fiarovana