MARION TSY MBA MANDAO

  • il y a 16 ans
De la bonne ZIK!!!"Tsy mba mandao" c'est le titre phare de l'album de Marion!Un chanteur exceptionnel!Des bonnes heures d'écoute et de détente pour vous!

Nolazainao avokoa
Izay rehetra tao am-ponao
Toa tsisy niery na nihafina ho ahy
Ireo lalana nodiavinao

Fantatrao koa izay momba ahy rehetra
Fantatrao irony hadalako
Hay ilay fitia toa tsy mba nanam-petra
Ianao tsy mba nanary ahy

Nanjary zatra ny fo fa
Ianao dia tsy mba mandao
Ireo hadisoina efa vita
Inoako navelanao
Na mafy anie izany dia
Tena maro izay mbola tsy hita
Tiako mba tsy hiova izany
Fiarahana tena mamy

Ianao no mba nitarainako raha
nisy ireo zavananjo
Ianao no mba niady foana ho ahy
Izay tsy vitako intsony

Inona moa no mba nisaorako ireny
Toa tsy ho voavaliko akory
Raha sendra ka ao ireo
Hohafoiko ho anao irery
Ho anao izay rehetra ato am-po
Nanjary............

Anefa aza kivy ianao na tomany
Hahery ho tojo ny mamy
Ho hafoiko hatramin'ny aiko
Ho eo foana aho ho vonon-kiahy
Fa anao irery ihany
Nanjary...........

Recommandée