MADAGASIKARA - VONJEO IZY

  • il y a 17 ans
VONJEO IZY

Ny sofina mahare ny momba azy
Dia aty am-pitandranomasina
Maro ny teny tsara momb'azy
Ka tsy tanty ny mahare ny fisarahan-tsaina

Ny fiarahan'ny mponina ao anatiny
No mahatsara azy
Fa tsy ny adiady
Ny fiarahan'ny mponina ao anatiny
No hahavonjy azy
Fa tsy ny fisarahan-tsaina

Ny fisin'ny atsimo sy ny avaratra
ny antsinanana sy ny andrefana
Ary ireo karazan'olona mameno izany
No antony tena mahatsara azy

Tsy iza anefa izany resahiko izany
Fa i madagasikara ihany
Miombona, mifandraisa fa izany
No sisa fomba hamonjena azy
Miombona, mifandraisa fa izany
No sisa fomba hamonjena azy
VONJEO IZY.

TAHIANA
http://www.tahiana.biz/